FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary izy ireo no hitsara ny vahoaka rehefa ilaina, ka ny raharaha lehibe rehetra hoentiny eo aminao,+ fa ny raharaha madinika rehetra kosa hotsarainy ihany. Koa ataovy izay hahamaivana kokoa ny andraikitrao, ary aoka izy ireo hiara-miantsoroka izany aminao.+

  • Deoteronomia 16:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Mametraha mpitsara+ sy mpiadidy+ ho anao eo amin’ny vavahadinao, ao amin’izay tanàna rehetra omen’i Jehovah Andriamanitrao anao araka ny fokonao. Ary hitsara ny olona araka ny rariny ireo.

  • Deoteronomia 25:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Raha misy olona mifanditra+ ka tonga mba hotsaraina,+ dia hotsaraina tokoa izy ireo ka hambara ho marina izay marina, ary homelohina izay meloka.+

  • 1 Samoela 2:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Raha misy manota amin’olona,+ dia Andriamanitra no hitsara+ hiaro azy. Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ iza no hivavaka ho azy?”+ Tsy nihaino ny tenin-drainy+ anefa izy ireo, satria efa sitrak’i Jehovah ny hamono azy ireo ho faty.+

  • 2 Tantara 19:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Raha manana ady entina eto anatrehanareo ny rahalahinareo monina any an-tanànany, na ady mahakasika fandatsahan-dra+ izany, na mahakasika lalàna+ sy didy+ sy fitsipika+ ary didim-pitsarana,+ dia ampitandremo izy ireo mba tsy hanao fahadisoana amin’i Jehovah, sao hiharan’ny fahatezerany+ ianareo sy ny rahalahinareo. Izany no tokony hataonareo mba tsy ho meloka ianareo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara