6 Any no hanateranareo ny fanatitra dorana,+ sy ny sorona, sy ny ampahafolon-karena,+ sy ny fanomezan’ny tananareo,+ sy ny fanatitra fanefana voady,+ sy ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+
27 Atolory eo amin’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra dorana,+ dia ny hena sy ny ra.+ Dia araraho eo anilan’ny alitaran’i Jehovah Andriamanitrao ny ran’ny sorona+ entinao, fa ny henany kosa azonao hanina.