FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+

  • Nomery 13:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Hoy koa izy ireo tamin’i Mosesy: “Nankao amin’ilay tany nanirahanao anay izahay, ary tena tondra-dronono sy tantely+ tokoa ilay izy, ary itony no vokatra+ avy tany.

  • Deoteronomia 27:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Soraty eo amin’ireo vato ireo ny teny rehetra ato amin’ity lalàna+ ity rehefa tonga eny ampita ianao,+ mba hidiranao ao amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, araka izay nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny razanao taminao.+

  • Ezekiela 20:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Tamin’izany andro izany, dia nanangan-tanana aho+ ka nianiana tamin’izy ireo fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely,+ dia ilay tany efa nojereko taratra mba homena azy ireo. Ravaky ny tany rehetra izy io.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara