FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 15:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe.

  • Eksodosy 23:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “Ary hofaritako ny sisin-taninao, manomboka eo amin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary manomboka eo amin’ny tany efitra ka hatramin’ny Renirano.+ Hatolotro eo an-tananareo mantsy ny mponina ao amin’ilay tany, ary horoahinareo tsy ho eo anatrehanareo izy ireo.+

  • Nomery 34:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “‘Ny ilany atsimo amin’ny taninareo dia hanomboka any amin’ny tany efitr’i Zina mifanila amin’i Edoma.+ Ary ny sisiny atsimo dia hanomboka any amin’ny faran’ny Ranomasin-tsira+ eo atsinanana,

  • Deoteronomia 1:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 ka mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra misy ny Amorita+ sy ny faritra rehetra manodidina, izany hoe Araba+ sy ny faritra be tendrombohitra+ sy Sefela sy Negeba+ ary ny morontsiraka.+ Mandehana any amin’ireo tanin’ny Kananita+ ireo, hatrany Libanona+ sy ilay renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata.+

  • Josoa 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 dia nitohy hatrany Azmona+ ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta,+ ary nifarana tany amin’ny ranomasina. Izany no sisin-taniny atsimo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara