FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 49:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina.+ Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.”+

  • 1 Samoela 17:40
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 40 Ary naka ny tehiny izy, dia nifidy ny vato dimy malama indrindra teo amin’ny lohasaha falehan-driaka, ka nanao izany tao anaty kitapony fitondrany miandry ondry sady fasiany zavatra. Teny an-tanany koa ny pilotra.+ Dia nanatona an’ilay Filistinina izy.

  • 1 Samoela 17:49
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 Ary natsofok’i Davida tao anaty kitapony ny tanany, ka naka vato iray tao izy. Dia nandefa izany tamin’ny pilotra izy ka nahavoa+ an’ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Ary nilentika teo amin’ny handrin’ilay Filistinina ilay vato, ka nianjera nihohoka tamin’ny tany izy.+

  • 1 Tantara 12:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 ka mpandefa zana-tsipìka, izay sady kavanana no kavia+ rehefa mampiasa pilotra+ sy mandefa zana-tsipìka.+ Rahalahin’i Saoly izy ireo, izany hoe, Benjaminita.

  • 2 Tantara 26:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary ireto avy no nataon’i Ozia vonona foana ho an’ilay tafika manontolo: Ampinga+ sy lefona+ sy fiarovan-doha+ sy akanjo mifono vy+ sy tsipìka+ ary vatom-pilotra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara