FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 11:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Dia hidina aho+ ka hiresaka aminao eo.+ Ary hakako ny fanahy+ ao aminao ka hataoko ao amin’izy ireo. Hanampy anao hitondra ny vahoaka izy ireo, mba tsy ho ianao irery no hitondra izany enta-mavesatra izany.+

  • Mpitsara 6:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Ary tonga tamin’i* Gideona ny fanahin’i* Jehovah,+ ka notsofiny ny anjombona.+ Dia novorina ny Abi-ezerita+ mba hanaraka azy.

  • Mpitsara 11:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia tonga tamin’i Jefta ny fanahin’i Jehovah,+ ka namakivaky ny faritr’i Gileada sy Manase ary Mizpe any Gileada+ izy. Ary avy tany Mizpe any Gileada izy, dia nankany amin’ny taranak’i Amona.

  • Mpitsara 14:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia niasa taminy ny fanahin’i Jehovah,+ ka nosamahiny roa toy ny fanasamaka osilahy kely ilay liona, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Ary tsy noteniteneniny tamin’ny ray aman-dreniny izay nataony.

  • Mpitsara 15:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Tonga hatrany Lehy izy, ary faly erỳ ny Filistinina nanakora azy rehefa nahita azy.+ Dia niasa tamin’i Samsona ny fanahin’i Jehovah,+ ka lasa toy ny kofehy rongony main’ny afo ny tady teny amin’ny sandriny,+ hany ka nitsonika niala tamin’ny tanany ny tady namatorana azy.

  • 1 Samoela 11:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Nony ren’i Saoly izany teny izany, dia niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra,+ ka tezitra mafy+ izy.

  • 1 Samoela 16:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Koa naka an’ilay tandroka nisy menaka+ i Samoela, ka nanosotra an’i Davida teo anivon’ireo rahalahiny. Ary niasa tamin’i Davida ny fanahin’i Jehovah, nanomboka tamin’iny andro iny.+ Dia nitsangana i Samoela avy eo, ka lasa nankany Rama.+

  • 2 Tantara 15:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary tonga tamin’i Azaria zanak’i Odeda+ ny fanahin’Andriamanitra.+

  • Isaia 63:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nahatsiaro ny andro fahiny ny olony sady nahatsiaro an’i Mosesy mpanompony, ka niteny hoe: “Aiza Ilay nitondra azy ireo niakatra avy tany an-dranomasina,+ niaraka tamin’ny mpiandry ny andian’ondriny?+ Aiza Ilay nametraka tao aminy ny fanahiny masina?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara