Eksodosy 20:16 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 16 “Aza mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny mpiara-belona aminao.+ Salamo 52:2 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 2 Ny hanisy ratsy no kendren’ny lelanao, izay maranitra toy ny hareza,+Sady mamitaka.+ Salamo 52:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Ny ratsy no tianao noho ny tsara,+Ary ny mandainga noho ny milaza ny marina.+ Sela. Ohabolana 19:5 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 5 Tsy ho afa-maina ny vavolombelona sandoka fa ho voasazy,+ ary tsy ho afa-miala izay mandainga.+ Ohabolana 25:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Sahala amin’ny kibay sy ny sabatra ary ny zana-tsipìka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany.+ Ohabolana 29:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Raha mihaino lainga ny mpitondra, dia ho ratsy fanahy daholo ny mpanompony.+ Ezekiela 22:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Misy mpanendrikendrika eo aminao ka ny handatsa-dra no kendreny.+ Misy mihinana sorona eny an-tendrombohitrao,+ ary misy fitondran-tena baranahiny eo anivonao.+ Matio 26:59 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 59 Ary nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.+
18 Sahala amin’ny kibay sy ny sabatra ary ny zana-tsipìka maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga hiampanga ny namany.+
9 Misy mpanendrikendrika eo aminao ka ny handatsa-dra no kendreny.+ Misy mihinana sorona eny an-tendrombohitrao,+ ary misy fitondran-tena baranahiny eo anivonao.+
59 Ary nitady izay ho afaka hiampanga an’i Jesosy ny lehiben’ny mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, mba hamonoana azy ho faty.+