FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 18:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Dia nifantina lehilahy mahay teo anivon’ny Israely rehetra i Mosesy, ka nanendry azy ho lohandohany teo amin’ny vahoaka,+ dia lehiben’ny arivo, sy lehiben’ny zato, sy lehiben’ny dimampolo, ary lehiben’ny folo.

  • Mpitsara 21:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Koa hoy ny anti-panahin’ny vahoaka: “Ahoana no hataontsika amin’ireo lehilahy sisa tavela ireo mba hahazoany vady, satria efa naringana ny vehivavy teo amin’ny fokon’i Benjamina?”

  • 1 Samoela 4:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Koa rehefa tonga tao an-toby ny olona, dia hoy ny anti-panahin’ny Israely: “Nahoana no nataon’i Jehovah resy teo anoloan’ny Filistinina isika androany?+ Andao halaintsika avy any Silo ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ mba ho eto amintsika ka hamonjy antsika eo am-pelatanan’ny fahavalontsika.”

  • 2 Samoela 5:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Tonga tany amin’ny mpanjaka tao Hebrona àry ny anti-panahy+ rehetran’ny Israely. Ary nanao fifanekena+ tamin’izy ireo teo anatrehan’i Jehovah tao Hebrona i Davida Mpanjaka. Avy eo dia nohosoran’izy+ ireo ho mpanjakan’ny Israely i Davida.+

  • 1 Mpanjaka 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia nantsoin’ny mpanjakan’ny Israely daholo ny anti-panahy teo amin’ny taniny,+ ka hoy izy: “Mba diniho kely, ary jereo fa te hanisy ratsy antsika mihitsy ilehiny.+ Efa nandefa iraka tatỳ amiko mantsy izy haka an’ireo vady aman-janako mbamin’ny volafotsiko sy ny volamenako, ary tsy nanda aho.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara