FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 5:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “‘Na, raha misy olona* mianiana hanao ratsy+ na hanao soa ka manao teny tsy voahevitra,+ na inona na inona fianianana tsy voahevitra nataony,+ eny fa na tsy tsapany aza ny ho vokany, nefa lasa tsapany, dia meloka ny amin’ny iray amin’ireo fianianana ireo izy.

  • Nomery 30:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Raha mivoady+ amin’i Jehovah ny olona iray, na mianiana+ ka mivoady fa hifady zavatra,+ ary ny ainy no ataony antoka, dia tsy mahazo mivadika amin’ny teniny izy,+ fa tokony hotanterahiny izay rehetra naloaky ny vavany.+

  • Mpitsara 21:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary nianiana tany Mizpa+ ny lehilahy israelita hoe: “Tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjamita.”+

  • Ohabolana 20:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Fandrika ho an’ny olona ny maimaika hilaza hoe: “Masina!”,+ ka efa vita ny voady+ vao mandinika.+

  • Mpitoriteny 5:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Aza avela hampanota anao ny vavanao,+ ary aza miteny eo anatrehan’ny anjely+ hoe: “Diso aho tamin’iny.”+ Nahoana no ho tezitra aminao Andriamanitra noho ny teninao, ka handrava ny asan’ny tananao?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara