FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 21:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Novonoin’ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika+ namono an’i Amona Mpanjaka, ary i Josia+ zanany no nataon’izy ireo mpanjaka nandimby azy.

  • 2 Mpanjaka 22:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Valo taona i Josia+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedida zanak’i Adaia avy any Bozkata.+

  • 2 Mpanjaka 23:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary narodany ilay alitara tao Betela+ sy ilay toerana avo nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanota ny Israely.+ Eny, narodany ny alitara sy ny toerana avo. Ary nodorany ilay toerana avo ka notorotoroiny ho vovoka. Nodorany koa ny tsato-kazo masina.

  • 2 Mpanjaka 23:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka no niakaran’i Farao Neko+ mpanjakan’i Ejipta ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria, tany amoron’ny reniranon’i Eofrata.+ Ary nandeha hifanandrina tamin’i Farao i Josia,+ kanjo novonoin’i Farao ho faty+ tao Megido+ izy raha vao hitany.

  • 2 Tantara 34:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Taorian’izany dia nesorin’i Josia avokoa ny zava-maharikoriko+ tany amin’ny tany rehetran’ny zanak’Israely,+ ary nasainy nanompo an’i Jehovah Andriamaniny ny olona rehetra tany Israely. Nanaraka an’i Jehovah Andriamanitry ny razany+ foana izy ireo, nandritra ny androm-piainan’i Josia.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara