17 Koa mba avelao+ re ny heloko amin’ity indray mandeha ity fotsiny e, ka iangavio+ i Jehovah Andriamanitrareo mba hanaisotra amiko ity loza mahafaty ity.”
7 Farany, dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka ka niteny hoe: “Efa nanota izahay,+ satria nanome tsiny anao sy Jehovah. Aoka ianao hifona amin’i Jehovah ho anay mba hanesorany ny bibilava tsy ho aminay.”+ Ary nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.+
3 Nirahin’i Zedekia Mpanjaka ho any amin’i Jeremia mpaminany i Jehokala+ zanak’i Selemia sy Zefania+ zanak’i Mahaseia+ mpisorona, mba hilaza hoe: “Mba mivavaha re amin’i Jehovah Andriamanitsika ho anay e!”+