FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 7:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 Farany, dia vita+ ny asa rehetra nataon’i Solomona Mpanjaka momba ny tranon’i Jehovah, ka nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa.+

  • 1 Mpanjaka 15:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Koa nalain’i Asa daholo ny volafotsy sy ny volamena sisa tamin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony. Ary nirahin’i Asa Mpanjaka ireo ho any amin’i Beni-hadada+ zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Syria,+ izay nonina tao Damaskosy,+ mba hilaza hoe:

  • 2 Mpanjaka 18:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia nomen’i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’i Jehovah,+ mbamin’ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+

  • 2 Mpanjaka 24:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia navoakan’i Nebokadnezara ny zava-tsarobidy rehetra notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+ Ary nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra+ nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah, araka izay nolazain’i Jehovah.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara