-
2 Mpanjaka 17:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nolaviny foana ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fifanekena+ nataony tamin’ny razany, ary ny fampahatsiahivana+ nolazainy tamin’izy ireo mba hampitandremana azy. Ary nanaraka sampy tsy misy ilana azy+ izy ireo tahaka an’ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy ilana azy+ koa. Efa nandidy azy anefa i Jehovah mba tsy hanao toy ireny firenena ireny.+
-
-
Asan’ny Apostoly 14:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 hoe: “Ô rey olona e, fa maninona ianareo no manao izao? Olombelona+ tahaka anareo+ ihany ange izahay e! Ary mitory ny vaovao tsara aminareo izahay mba hialanareo amin’izao zava-poana+ izao ka hanatonanareo an’ilay Andriamanitra velona,+ izay nanao ny lanitra+ sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.
-