FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Tsy lany ny lafarinina tao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ritra ny menaka tao anatin’ilay siny kely,+ araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia.

  • 1 Mpanjaka 17:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Farany, dia nihaino an’i Elia i Jehovah+ ka niverina ny ain’ilay ankizy, ary velona indray izy.+

  • 1 Mpanjaka 18:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Tamin’ny fotoana+ fanolorana ny fanatitra varimbazaha, dia nanatona i Elia mpaminany ka nanao hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely+ ô! Aoka ho fantatra anio fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely,+ ary izaho dia mpanomponao, ka araka ny teninao+ no nanaovako izao zavatra rehetra izao.

  • 1 Mpanjaka 18:46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Ary nomba an’i Elia ny tanan’i Jehovah,+ ka nofeheziny teo amin’ny andilany ny akanjony,+ ary nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.+

  • 2 Mpanjaka 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Koa nesorin’i Elia ilay akanjona mpaminany+ nanaovany, ary navalony ka nikapohany ny rano. Dia nisaraka nankeo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny rano, ka niampita tamin’ny tany maina izy roa lahy.+

  • 2 Mpanjaka 2:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Raha mbola nandeha izy ireo, sady niresaka teny am-pandehanana, dia nisy kalesy afo+ sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy. Ary niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia.+

  • 2 Tantara 21:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Tatỳ aoriana dia nisy taratasy+ avy tamin’i Elia+ mpaminany tonga tany amin’i Jorama, nanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitr’i Davida razambenao: ‘Tsy nanao hoatran’izay nataon’i Josafata+ rainao, na hoatran’izay nataon’i Asa+ mpanjakan’ny Joda ianao,

  • Lioka 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 sady handeha eo alohany amin’ny risi-po* sy ny herin’i Elia+ mba hampody ny fon’ny+ ray ho amin’ny zanany ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina, ary mba hanomana vahoaka ho an’i Jehovah,+ eny, vahoaka voaomana.”+

  • Jaona 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia nanontany azy izy ireo hoe: “Iza àry e? I Elia+ ve?” Ary hoy izy: “Tsy izy aho.” “Ianao ve Ilay Mpaminany?”+ Fa hoy ny navaliny: “Tsia!”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara