Salamo 18:21 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 21 Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+ Salamo 71:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô,+Ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana.+ Ohabolana 8:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.+ Halako ny fanambonian-tena sy ny fireharehana+ sy ny fanao ratsy ary ny vava fandainga.+ Mpitoriteny 7:18 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 18 Tsara raha fikirinao ny iray, nefa tsy avelanao koa ilay iray.+ Fa tsy hisy hanjo an’izay matahotra an’Andriamanitra izany rehetra izany.+ Mpitoriteny 12:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Tsarovy ilay Mpamorona+ Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao,+ dieny mbola tsy tonga ny andro mahory+ sy ireo taona izay hitenenanao hoe: “Tsy tiako izao mahazo ahy izao”,+ Isaia 50:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Iza aminareo no matahotra+ an’i Jehovah sy mihaino ny tenin’ny mpanompony,+ ary efa nandeha foana tao amin’ny haizina+ sady tsy nahazo hazavana? Aoka izy hitoky amin’ny anaran’i Jehovah+ ka hiantehitra amin’Andriamaniny.+
21 Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+
17 Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô,+Ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana.+
13 Midika ho fankahalana ny ratsy ny fahatahorana an’i Jehovah.+ Halako ny fanambonian-tena sy ny fireharehana+ sy ny fanao ratsy ary ny vava fandainga.+
18 Tsara raha fikirinao ny iray, nefa tsy avelanao koa ilay iray.+ Fa tsy hisy hanjo an’izay matahotra an’Andriamanitra izany rehetra izany.+
12 Tsarovy ilay Mpamorona+ Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao,+ dieny mbola tsy tonga ny andro mahory+ sy ireo taona izay hitenenanao hoe: “Tsy tiako izao mahazo ahy izao”,+
10 Iza aminareo no matahotra+ an’i Jehovah sy mihaino ny tenin’ny mpanompony,+ ary efa nandeha foana tao amin’ny haizina+ sady tsy nahazo hazavana? Aoka izy hitoky amin’ny anaran’i Jehovah+ ka hiantehitra amin’Andriamaniny.+