17 “Aza mitsiriritra tranon’olona. Aza mitsiriritra vadin’olona,+ na mpanompolahin’olona, na mpanompovaviny, na ombiny, na ampondrany, na inona na inona fananany.”+
21 “‘Ary aza mitsiriritra vadin’olona.+ Aza manaiky hasesiky ny fitiavan-tena ka haniry mafy hahazo tranon’olona, na tanin’olona, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na inona na inona fananany.’+
7 Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna?+ Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota+ anefa aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana,+ raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: “Aza mitsiriritra.”+