FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Aoka anefa izy tsy hampitombo ny isan’ny soavaliny,+ na hampiverina ny olona ho any Ejipta mba hahazoana soavaly maro.+ Efa niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’io lalana io intsony.’

  • 2 Samoela 8:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary i Davida nahazo babo avy taminy, dia mpitaingin-tsoavaly fitonjato sy arivo, sy lehilahy roa alina nandeha an-tongotra.+ Dia notapahin’i Davida ny hoza-tongotry+ ny soavaly+ rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly zato sisa no tsy nataony na inona na inona.

  • 1 Mpanjaka 10:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Samy nitondra an’ireto fanomezana+ ireto izy ireo isan-taona:+ Zavatra vita tamin’ny volafotsy+ sy volamena, fitafiana, fiadiana,+ menaka balsama, ary soavaly sy ramole.+

  • 2 Tantara 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nitondra kalesy sy soavaly niakatra avy tany Ejipta izy ireo, ka farantsa volafotsy eninjato no vidin’ny kalesy iray, ary farantsa volafotsy dimampolo amby zato ny soavaly iray. Dia toy izany koa no natao ho an’ny mpanjaka rehetran’ny Hetita sy ireo mpanjakan’i Syria.+ Tamin’ny alalan’ireny mpandraharahan’ny mpanjaka ireny no nanaovan’izy ireo ny fanafarana.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara