25 Ary nesoriny ny kodiaran’ny kalesin’ireo mba ho sarotra amin’ireo ny hitondra azy.+ Koa hoy ny Ejipsianina: “Andao handositra ny Israely, fa i Jehovah mihitsy no miady amin’ny Ejipsianina ho an’ireo.”+
28 Fa voaranitra ny zana-tsipìkany, ary efa voaisy tady ny tsipìkany rehetra.+ Ho mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny,+ ary hiriotra toy ny tafio-drivotra ny kodiaran-kalesiny.+
27 Fa tsy fitaovana fanosihosena+ varimbazaha no anosihosena ny komina mainty, ary tsy ampandehanina eo ambonin’ny komina ny kodiaran-tsarety. Fa tsorakazo+ no fivelezana ny komina mainty, ary tehina no fivelezana ny komina.