22 Koa novonjen’i Jehovah i Hezekia sy ny mponin’i Jerosalema, mba tsy ho azon’ny tanan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria+ sy ny olon-kafa rehetra. Ary nataony nandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina izy ireo.+
20 Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra intsony amin’ilay namely azy+ ny sisa tavela amin’i Israely,+ sy ny sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba. Fa i Jehovah Ilay Masin’ny Israely+ kosa no tena hianteheran’izy ireo.+