-
1 Mpanjaka 2:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 ary mba hotanterahin’i Jehovah ny teny nolazainy momba ahy+ hoe: ‘Raha hitandrina ny fitondran-tenany ny taranakao,+ ka handeha+ amim-pahitsiana*+ eo anatrehako amin’ny fony manontolo+ sy amin’ny heriny manontolo, dia hisy olona avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely.’+
-
-
1 Mpanjaka 3:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia hoy i Solomona: “Lehibe tokoa ny hatsaram-panahy feno fitiavana efa nasehonao+ tamin’i Davida raiko mpanomponao, noho izy nandeha teo anatrehanao tamim-pahitsiana sy tamim-pahamarinana+ ary tamin-kitsim-po. Ary mbola lehibe koa izao hatsaram-panahy feno fitiavana asehonao aminy izao, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, toy ny amin’izao anio izao.+
-