-
Jeremia 15:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary raha manontany anao izy ireo hoe: ‘Handeha ho aiza anefa izahay?’, dia izao avaly azy: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Ho any amin’ny loza mahafaty daholo izay natao ho an’ny loza mahafaty! Ho any amin’ny sabatra kosa izay natao ho an’ny sabatra! Ho any amin’ny mosary, ireo natao ho an’ny mosary!+ Ary ho any amin’ny fahababoana, ireo natao ho amin’ny fahababoana!”’+
-
-
Ezekiela 5:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 ka ny ampahatelony hodoranao eo afovoan-tanàna, raha vao tapitra ny andro anaovana fahirano azy.+ Ary alaivo kosa ny ampahatelony ka asio amin’ny sabatra, any amin’ny lafiny rehetra amin’ilay tanàna.+ Ny ampahatelony sisa kosa aelezo eny amin’ny rivotra, ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+
-