3 Dia nivoaka nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany+ tao Betela, ka nanao taminy hoe: “Mba fantatrao tokoa moa fa anio no hakan’i Jehovah ny tomponao, ka tsy ho tomponao intsony izy?”+ Dia hoy izy: “Izaho koa mahalala tsara an’izany,+ fa mangìna ianareo.”