5 Koa nomen’i Jehovah mpamonjy ny Israely,+ ka tsy teo ambany fahefan’i Syria intsony. Ary afaka nonina tao an-tranony toy ny teo aloha ny zanak’Israely.+
20 “Tsy zanaka tena tiako ve i Efraima, ary zanaka mamin’ny foko?+ Fa toy ny hamafin’ny nanamelohako azy ihany no hahatsiarovako azy.+ Koa mangotikotika ny tsinaiko noho ny aminy,+ ka tena hiantra azy aho”,+ hoy i Jehovah.
7 Ny taranak’i Joda kosa no hamindrako fo,+ ary ny herin’i Jehovah Andriamaniny no hamonjeko azy.+ Tsy amin’ny tsipìka na sabatra na ady, na soavaly na mpitaingin-tsoavaly anefa no hamonjeko azy.”+