51 Farany, dia vita+ ny asa rehetra nataon’i Solomona Mpanjaka momba ny tranon’i Jehovah, ka nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa.+
11 Nohamasinin’i+ Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah koa ireny, mbamin’ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tany amin’ny firenena rehetra,+ dia i Edoma sy Moaba,+ sy ny taranak’i Amona+ sy ny Filistinina,+ ary ny Amalekita.+