FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 5:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Dia nataony hoe Noa*+ ny anarany, fa hoy izy: “Izy no hitondra fampiononana ho antsika. Ilaintsika mantsy izany satria miasa mafy sy misasatra isika noho ny nanozonan’i Jehovah ny tany.”+

  • Genesisy 6:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Fa i Noa kosa nankasitrahan’i Jehovah.

  • Isaia 54:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Amiko, dia toy ny tamin’ny andron’i Noa izao.+ Toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ny ranon’i Noa,+ no ianianako koa fa tsy ho tezitra aminao intsony aho na hiteny mafy anao.+

  • Ezekiela 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Na dia atao aza hoe ao amin’izany tany izany ireto telo lahy ireto, dia i Noa+ sy Daniela+ ary Joba,+ dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+

  • Matio 24:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Fa toy ny andron’i Noa,+ dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara