-
2 Mpanjaka 23:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ary nodidian’ny mpanjaka i Hilkia+ mpisoronabe sy ny mpisorona hafa ary ny mpiandry varavarana,+ mba hamoaka avy tao an-tempolin’i Jehovah ny fitaovana rehetra natao ho an’i Bala+ sy ho an’ny tsato-kazo masina+ ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+ Dia nodorany teny ivelan’i Jerosalema ireny, teny amin’ny lohasaha mikitohatohatr’i Kidrona,+ ary nentiny tany Betela+ ny vovony.
-