FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 28:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Ary ataovy ao anatin’ny saron-tratra fitsarana ny Orima+ sy ny Tomima,* ary ho eo amin’ny fon’i Arona ireo rehefa miditra ho eo anatrehan’i Jehovah izy. Dia hoentin’i Arona eo amin’ny fony mandrakariva ny saron-tratra fitsarana+ ny zanak’Israely, rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah izy.

  • Levitikosy 8:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Avy eo, dia nampanaoviny azy ny saron-tratra,+ ary nataony tao amin’ny saron-tratra ny Orima sy ny Tomima.+

  • Nomery 27:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Eo anatrehan’i Eleazara mpisorona no hijoroany, ary i Eleazara kosa hanontany+ eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny alalan’ny fitsaran’ny Orima,+ rehefa manam-panontaniana i Josoa. Araka ny baiko azo no hivoahan’izy ireo sy hidirany, dia izy sy ny zanak’Israely rehetra ary ny vahoaka manontolo.”

  • Deoteronomia 33:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ny amin’i Levy, dia hoy izy:+

      “Ny Tomimanao sy ny Orimanao+ dia an’ilay tsy mivadika aminao,+

      Eny, ilay notsapainao toetra tany Masa.+

      Niady taminy ianao teo akaikin’ny ranon’i Meriba.+

  • 1 Samoela 28:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nanontany an’i Jehovah i Saoly,+ nefa tsy namaly azy mihitsy i Jehovah,+ na tamin’ny nofy+ na tamin’ny Orima,+ na tamin’ny alalan’ny mpaminany.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara