FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 12:43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Nanao sorona maro be+ izy ireo tamin’izay andro izay sady nifaly,+ satria Andriamanitra mihitsy no nanao izay hahatsapany fifaliam-be.+ Nifaly koa ny zaza+ amam-behivavy,+ ka re hatrany lavitra ny fifaliana tao Jerosalema.+

  • Salamo 32:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Mifalia amin’i Jehovah ry olo-marina, ary miravoravoa.+

      Mihobia ianareo rehetra mahitsy fo.+

  • Salamo 126:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 126 Rehefa nampodin’i Jehovah avy tamin’ny fahababoana ny mponin’i Ziona,+

      Dia hoatran’ny nanonofy isika.+

  • Isaia 35:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara