17 Ny Tompo kosa nijoro teo anilako+ ka nankahery ahy,+ mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba handre izany ny firenena rehetra.+ Ary nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona+ aho.
9 Araka izany, dia hain’i Jehovah afahana amin’ny fitsapana+ ny olona mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Hainy koa anefa ny mitahiry ny olona tsy marina ho amin’ny andro fitsarana mba horinganina,+