2 Timoty
4 Izao no ananarako mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, izay voatendry hitsara+ ny velona sy ny maty,+ amin’ny alalan’ny fisehoany+ sy ny fanjakany:+ 2 Torio ny teny,+ ary ataovy tsy misy hataka andro izany* na amin’ny mora+ na amin’ny sarotra,+ mananara,+ teneno mafy ireo mila tenenina, manomeza torohevitra, ary aoka ianao hahari-po tanteraka+ sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany. 3 Ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa+ ka hanangonany mpampianatra ho an’ny tenany, araka izay iriny, mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.+ 4 Ary tsy hihaino ny fahamarinana intsony izy, fa hivily ho amin’ny tantara tsy marina.+ 5 Fa ianao kosa, aoka ianao hisaina tsara foana+ amin’ny zava-drehetra, miareta fahoriana,+ ataovy ny asan’ny mpitory ny vaovao tsara,+ ary tanteraho tsara ny fanompoanao.+
6 Fa efa araraka sahady toy ny fanatitra zava-pisotro+ aho, ary efa antomotra ny fotoana voatondro hanafahana+ ahy. 7 Efa niady ny ady tsara+ aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho,+ efa nihazona ny finoana+ aho. 8 Manomboka izao, dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana.+ Ny Tompo, ilay mpitsara+ marina, no hanome ahy izany ho valisoa+ amin’izany andro izany,+ ary tsy ho ahy ihany fa ho an’izay rehetra maniry mafy ny hisehoany koa.
9 Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana atỳ amiko.+ 10 Efa nandao ahy mantsy i Demasy+ satria tia an’ity tontolo ity+ izy, ka lasa any Tesalonika, ary i Kreska lasa any Galatia,+ i Titosy any Dalmatia. 11 I Lioka irery no eto amiko. Ento miaraka aminao i Marka fa mahasoa+ ahy amin’ny fanompoana izy. 12 I Tykiko+ kosa nirahiko ho any Efesosy. 13 Rehefa mankatỳ ianao, dia ento ilay akanjo ivelany navelako tany amin’i Karpo any Troasy.+ Ento koa ireo horonam-boky, indrindra fa ny horonam-boky hoditra.
14 Betsaka ny ratsy nataon’i Aleksandra+ mpanefy varahina tamiko—i Jehovah no hamaly azy araka izay nataony+— 15 ary ianao koa, mba mitandrema ihany amin’izy iny, fa tena nanohitra mafy ny teninay izy.
16 Rehefa nilaza ny fiarovan-tenako voalohany aho, dia tsy mba nisy tonga nanotrona ahy, fa nandao ahy+ daholo izy rehetra. Enga anie tsy hatao ho helony izany!+ 17 Ny Tompo kosa nijoro teo anilako+ ka nankahery ahy,+ mba hotanterahina an-tsakany sy an-davany amin’ny alalako ny asa fitoriana, ary mba handre izany ny firenena rehetra.+ Ary nafahana avy tamin’ny vavan’ny liona+ aho. 18 Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo+ ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra.+ Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena.
19 Mampamangy any amin’i Priska+ sy Akoila ary ny ankohonan’i Onesiforosy.+
20 Nijanona any Korinto+ i Erasto,+ fa navelako any Mileto+ kosa i Trofimo,+ satria narary. 21 Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana atỳ alohan’ny ririnina.
Mampamangy, hono, ianao, hoy i Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia ary ny rahalahy rehetra.
22 Ho amin’ny toe-tsaina asehonao anie ny Tompo!+ Ho aminareo anie ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa!