FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 28:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “Ary ianao, ry Solomona zanako, fantaro+ ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa+ azy amin’ny fo manontolo+ ary aoka ianao ho finaritra eo am-panompoana azy.+ Fa mandinika ny fo rehetra i Jehovah,+ ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana.+ Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy,+ fa raha mahafoy azy kosa ianao,+ dia hariany mandrakizay.+

  • 2 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nandeha nankany amin’i Asa izy, ary niteny taminy hoe: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo.+ Ary raha mitady+ azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa.+

  • 2 Tantara 19:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nisy zavatra tsara+ nataonao ihany anefa, satria nesorinao teto amin’ity tany ity ny tsato-kazo masina,+ ary nomaninao ny fonao hitady an’ilay tena Andriamanitra.”+

  • Joba 28:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa hoy izy tamin’ny olona:

      ‘Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena,+

      Ary ny fialana amin’ny ratsy no fahiratan-tsaina.’”+

  • Isaia 55:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita izy.+ Miantsoa azy, dieny mbola akaiky izy.+

  • 1 Petera 3:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Fa ny mason’i+ Jehovah mitsinjo ny olo-marina, ary ny sofiny mihaino ny fitalahoany,+ fa ny tavan’i Jehovah kosa manohitra ny mpanao ratsy.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara