FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 5:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ary hoy i Gehazy: “Tsy misy maninona, fa nirahin’ny tompoko+ aho+ hilaza hoe: ‘Misy zatovo roa lahy zanaky ny mpaminany vao tonga atỳ amiko izao, ary avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima izy ireo.+ Koa mba omeo talenta* volafotsy iray sy akanjo indroa miova izy ireo, azafady.’”+

  • Ohabolana 20:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana,+ dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.+

  • Jeremia 17:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Izay olona manangon-karena tsy ara-drariny+ dia toy ny tsipoy manangona atody tsy azy. Hilaozany izany harenany izany raha mbola vao misasaka ny androm-piainany,+ ary ho hita fa adala izy amin’ny farany.”+

  • 1 Timoty 6:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Fa izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy+ sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba,+ izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara