10 Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+
17 satria ny Zanak’ondry,+ izay eo akaikin’ny seza fiandrianana, dia hiandry+ azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.+ Ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”+
4 Ary hofafany ny ranomaso+ rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony,+ sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana,+ fa efa lasa ny zavatra taloha.”+