21 Fa hitsangana toy ny teo amin’ny Tendrombohitra Perazima+ i Jehovah, ary ho tezitra toy ny teo amin’ny lemaka iva akaikin’i Gibeona+ izy, ka hanao zavatra sy hanao ny asany, nefa hafahafa ny zavatra ataony ary tsy mahazatra+ ny asany.
5 “Jereo fa misy fahavalonareo eo amin’ireo firenena, ka tazano, ary aoka ianareo ho zendana.+ Eny, aoka ianareo ho gaga, fa misy zavatra ataony amin’izao andronareo izao, dia zavatra tsy hinoanareo na hotantaraina aminareo aza.+