-
Isaia 43:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Aoka hiangona eo amin’ny toerana iray ny firenena rehetra, ary aoka ho tafangona ny firenena samy hafa.+ Iza amin’ireo andriamanitra no afaka milaza an’izany?+ Ary iza no afaka manambara aminay ny zavatra hitranga voalohany?+ Aoka izy ireo hanome vavolombelona+ hanamarina azy, na aoka ny vavolombelony handre ka hilaza hoe: ‘Marina izany!’”+
-
-
Isaia 45:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Manaova fanambarana ka arosoy ny porofonareo.+ Dia avelao izy ireo hiara-mikaon-doha. Iza no nanambara izany hatry ny fahagola?+ Iza no nilaza izany nanomboka tamin’izay fotoana izay?+ Tsy izaho Jehovah ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy izaho.+ Tsy misy Andriamanitra marina sy Mpamonjy+ ankoatra ahy.+
-