FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 3:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo,+ no hanaisotra ao Jerosalema+ sy Joda ny andry sy tohana rehetra ianteheran’izy ireo, dia ny sakafo sy ny rano,+

  • Jeremia 14:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Raha mivoaka hankeny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako!+ Ary raha miditra ao an-tanàna aho, dia ireo marary vokatry ny mosary no hitako!+ Fa samy mivenjivenjy any amin’ny tany tsy fantany+ ny mpaminany sy ny mpisorona.’”

  • Jeremia 38:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Izay mijanona ato amin’ity tanàna ity no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana.+ Fa izay mivoaka ho eny amin’ny Kaldeanina kosa no tsy ho faty, fa ny ainy no ho babony ka ho velona izy.’+

  • Fitomaniana 4:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Tsara kokoa ny nanjo an’ireo matin-tsabatra+ noho ireo matin’ny mosary,+

      Satria noho ny tsy fisian’ny vokatra eny an-tsaha, dia reraka toy ny hoe voatrobaka ireo matin’ny mosary.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara