FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 1:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary manendry anao hanana fahefana eo amin’ireo firenena sy fanjakana+ aho anio, mba hanongotra sy handrodana, handringana sy handrava,+ ary hanorina sy hamboly.”+

  • Jeremia 12:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Izao no nolazain’i Jehovah mba hanamelohana ny ratsy fanahy rehetra miara-monina amiko,+ izay mikitikitika an’ilay lova nomeko ho an’ny Israely oloko:+ “Ongotako tsy ho eo amin’ny taniny izy ireo.+ Ary ongotako tsy ho eo anivon’izy ireo ny taranak’i Joda.+

  • Jeremia 25:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 dia hampanantsoiko ny firenena rehetra any avaratra”,+ hoy i Jehovah. “Hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona sady mpanompoko.+ Hoentiko hiady amin’ity tany ity+ sy amin’ny mponina eto ary amin’ny firenena rehetra manodidina izy ireo.+ Hatokako haringana ireo rehetra ireo ka hataoko higagam-bahoaka sy hampisioka olona,+ ary ho rava mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

  • Jeremia 45:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 “Koa izao lazaina amin’i Baroka: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+

  • Amosa 9:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Eo amin’ilay fanjakana mpanota ny mason’i Jehovah Tompo Fara Tampony,+ ka hofoanany tsy ho eo amin’ny tany izy io.+ Tsy haringako tanteraka anefa ny taranak’i Jakoba’,+ hoy i Jehovah.

  • Jona 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Farany, dia niditra tao an-tanàna i Jona. Ary rehefa avy nandeha an-tongotra iray andro izy, dia tsy nitsahatra nitory hoe: “Efapolo andro sisa dia horavana i Ninive.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara