13 “Mianiana amin’ny tenako aho”,+ hoy i Jehovah, “fa hanjary higagan’ny olona+ tokoa i Bozra,+ sady holatsaina sy ho rava ary ho voaozona. Ho rava tanteraka mandritra ny fotoana tsy voafetra koa ny tanànany rehetra.”+
14 Ary haninjitra ny tanako hamely azy ireo aho+ ka hataoko lao tsy misy mponina ny taniny any amin’izay rehetra onenan’izy ireo, eny, ho lao mihoatra noho ilay tany efitra any akaikin’i Dibla. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’”