FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 4:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 dia hataoko ho vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany+ anio, fa tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tokoa ka tsy ho eo amin’ilay tany izay halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho lava andro iainana ianareo eo, fa ho ringana+ tokoa.

  • Deoteronomia 32:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 “Mihainoa ry lanitra, fa hiteny aho.

      Ary aoka ny tany handre ny tenin’ny vavako.+

  • Isaia 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Aoka ny lanitra hihaino,+ ary aoka ny tany hanongilan-tsofina, fa izao no nolazain’i Jehovah: “Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka aho,+ nefa nikomy tamiko izy ireo.+

  • Isaia 34:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Manatòna mba hihaino, ry firenena!+ Mihainoa, ry firenena samy hafa!+ Mihainoa, ry tany+ sy izay rehetra eo aminy, ary koa ny tany lonaka+ sy ny zavamiaina rehetra eo aminy.+

  • Jeremia 6:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Henoy, ry tany ô! Hahatonga loza amin’ity vahoaka ity aho,+ noho izay any an-tsainy.+ Tsy nihaino izay nolazaiko mantsy izy, sady tsy niraharaha ny lalàko.”+

  • Mika 1:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Mihainoa ianareo rehetra! Ary mihainoa, ry tany sy izay rehetra mameno anao.+ Aoka ho vavolombelona hanameloka anareo i Jehovah Tompo Fara Tampony,+ eny, i Jehovah izay ao amin’ny tempoliny masina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara