FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 13:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Raha misy mpaminany+ na mpanonofy+ eo aminareo ka milaza famantarana na fambara,+

  • Jeremia 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+

  • Jeremia 23:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa mbola nihazakazaka nanao izany ihany izy. Tsy niteny tamin’izy ireo aho nefa mbola naminany ihany izy.+

  • Jeremia 27:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “‘Fa tsy naniraka an’ireny aho’, hoy i Jehovah, ‘nefa maminany lainga amin’ny anarako izy mba hahatonga ahy hanaparitaka anareo,+ ka ho faty ianareo+ sy ny mpaminany izay maminany aminareo.’”+

  • Jeremia 29:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 “Mandefasa taratasy any amin’ny olona rehetra any an-tsesitany,+ manao hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah momba an’i Semaia avy any Nehelama: “Koa satria naminany taminareo i Semaia nefa tsy nirahiko, ka nahatonga anareo hatoky lainga,+

  • Ezekiela 13:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Lozan’ireo mpaminany adala,+ izay mandeha araka ny saim-pantany,+ nefa tsy nisy na inona na inona hitany!+

  • Zakaria 13:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Raha misy lehilahy mbola maminany, dia hilaza aminy ny rainy sy ny reniny niteraka azy, hoe: ‘Ho faty ianao, satria miteny lainga amin’ny anaran’i Jehovah.’ Dia handefona azy ny rainy sy ny reniny niteraka azy, noho izy naminany.+

  • Lioka 6:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Lozanareo raha milaza soa momba anareo daholo ny rehetra, fa izany koa no nataon’ny razanareo tamin’ny mpaminany sandoka.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara