FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+

  • Jeremia 23:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Tsy naniraka an’ireo mpaminany ireo aho, nefa mbola nihazakazaka nanao izany ihany izy. Tsy niteny tamin’izy ireo aho nefa mbola naminany ihany izy.+

  • Jeremia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Hoy koa i Jeremia mpaminany tamin’i Hanania+ mpaminany: “Henoy ny teniko, azafady, ry Hanania! Tsy naniraka anao i Jehovah, fa ianao no nahatonga an’ity vahoaka ity hatoky lainga.+

  • Ezekiela 13:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Koa izao no lazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “‘Noho ianareo nilaza zavatra tsy marina sy nahita fahitana mandainga, dia homelohiko ianareo’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

  • 2 Petera 2:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo.+ Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy,+ ka hahatonga fandringanana haingana ho an’ny tenany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara