FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 14:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hoy i Jehovah tamiko: “Mandainga ireo mpaminany maminany amin’ny anarako ireo,+ fa tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy.+ Ny faminaniana lazainy aminareo mantsy dia fahitana sandoka, filazana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy, zava-poana,+ ary fitaka noforomporonin’ny sainy.+

  • Jeremia 29:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izao mantsy no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo.+ Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo.+

  • Fitomaniana 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Zavatra tsy misy ilana azy sy tsy mahafa-po no tao amin’ny fahitana nambaran’ny mpaminaninao taminao.+

      Tokony ho naharihariny ny fahadisoanao mba tsy hahalasa babo anao, nefa tsy nataony izany,+

      Fa mbola zavatra tsy misy ilana azy sy mamitaka ihany no tao amin’ny fahitana nambarany taminao.+

  • 2 Petera 2:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo.+ Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta mampidi-doza, sady handa an’ilay tompo nividy azy,+ ka hahatonga fandringanana haingana ho an’ny tenany.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara