FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Raha ny marina anefa, dia izao no mbola namelako anao ho velona:+ Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+

  • 2 Samoela 7:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary firenena iza eto an-tany no tahaka ny Israely olonao,+ izay navotan’Andriamanitra ho olony?+ Nataon’Andriamanitra izany mba hampahalaza ny anarany.+ Nanao zavatra lehibe sy mampahatahotra+ ho azy ireo koa ianao, ka nandroaka an’ireo firenena sy ny andriamanitr’ireny, noho ny amin’ny olonao izay navotanao+ ho anao avy tany Ejipta.

  • Isaia 63:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Aiza Ilay nandefa ny sandriny+ tsara tarehy teo ankavanan’i Mosesy, eny, Ilay nanasaraka ny rano teo anoloan’izy ireo,+ mba hampahalaza ny anarany+ mandritra ny fotoana tsy voafetra?

  • Daniela 9:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Ry Jehovah Andriamanitray ô, efa nitondra ny olonao nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tanana mahery ianao,+ ary nampahalaza ny anaranao hatramin’izao anio izao.+ Ary ankehitriny, nanota+ sy nanao ratsy izahay.

  • Romanina 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara