FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Tsarovy ary aza hadinoina fa nampahatezitra an’i Jehovah Andriamanitrao ianao tany an-tany efitra.+ Nikomy foana tamin’i Jehovah+ ianareo, nanomboka tamin’ny andro nivoahanareo avy tany Ejipta ka mandra-pahatonganareo teto amin’ity toerana ity.

  • 2 Mpanjaka 17:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Koa nanao zavatra tsy tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny zanak’Israely,+ sady nanorina toerana avo+ tany amin’ny tanànany rehetra, nanomboka teo amin’ny tilikambon’ny+ mpitily ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy,

  • Nehemia 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Sahisahy ratsy+ anefa ny razanay sady nanamafy hatoka,+ ka tsy nihaino ny didinao.

  • Salamo 106:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Efa nanota tahaka ny razanay izahay,+

      Nanao zavatra tsy nety izahay, ary nanao ratsy.+

  • Jeremia 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Dia nentiko tany amin’ny tany nisy saham-boankazo ianareo mba hihinana ny vokatra sy ny zava-tsoa teo aminy.+ Rehefa tafiditra tao anefa ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo zava-maharikoriko ny lovako.+

  • Jeremia 3:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Matory amin-kenatra+ izahay, ary rakotry ny henatra,+ satria tamin’i Jehovah Andriamanitray izahay no nanota,+ dia izahay sy ny razambenay, efa hatramin’ny fahazazanay ka hatramin’izao.+ Ary tsy nankatò ny tenin’i Jehovah Andriamanitray izahay.”+

  • Ezekiela 16:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 “‘Nandalo teo akaikinao indray aho ka nahita anao. Efa tonga ny fotoana nitsirian’ny fitiavanao+ tamin’izay. Dia novelariko handrakotra anao ny akanjoko,+ ka norakofako ny fitanjahanao. Nianiana taminao aho ka nanao fifanekena taminao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘ary lasako ianao.+

  • Ezekiela 20:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Kanefa nentiko tany amin’ilay tany+ efa nananganako tanana sy nianianako homena azy ihany izy ireo.+ Isaky ny nahita havoana avo+ sy hazo maro rantsana anefa izy ireo, dia nanolotra sorona+ sy fanatitra mahatezitra teny amin’ireny. Teny koa izy ireo no nanolotra hanitra mampitony,+ ary teny izy ireo no nandraraka fanatitra zava-pisotro.+

  • Asan’ny Apostoly 7:51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 51 “Ry mafy hatoka, tsy voafora fo+ sy sofina! Manohitra ny fanahy masina foana ianareo. Ary tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara