FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 16:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 “Misaora an’i Jehovah,+ rey olona, ary miantsoa ny anarany.+

      Ampahafantaro an’ireo firenena ny asany.+

  • 2 Tantara 5:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary raha vao indray+ niredona hira fiderana sy fisaorana an’i Jehovah ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, eny, raha vao nanandra-peo izy ireo ka nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zavamaneno+ ary nidera+ an’i Jehovah, “fa tsara izy,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana”,+ dia feno rahona+ ny tranon’i Jehovah.+

  • Ezra 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Dia nanao hira nifamaly izy ireo ka nidera+ sy nisaotra an’i Jehovah “fa tsara izy,+ fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana amin’ny Israely.”+ Ary ny olona rehetra nihoby mafy+ nidera an’i Jehovah noho ny nandatsahana ny fototry ny tranon’i Jehovah.

  • Salamo 89:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 Fa hoy aho: “Ho mafy orina mandrakizay ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+

      Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ny tsy fivadihanao.”+

  • Isaia 12:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Hiteny toy izao koa ianareo amin’izany andro izany: “Misaora an’i Jehovah, rey olona!+ Miantsoa ny anarany.+ Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony.+ Ambarao fa misandratra ny anarany.+

  • Mika 7:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Iza no Andriamanitra tahaka anao,+ izay mamela fahadisoana sy mamela* ny heloky+ ny sisa amin’ny lovanao?+ Tsy ho tezitra mandrakizay izy, satria tia hatsaram-panahy feno fitiavana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara