FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 1:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Misasà ianareo,+ ary midiova.+ Esory tsy ho eo imasoko ny zava-dratsy ataonareo,+ ary aza manao ratsy intsony.+

  • Jeremia 4:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Sasao ny fonao mba tsy hisy faharatsiana intsony, ry Jerosalema ô, mba ho voavonjy ianao.+ Mandra-pahoviana ianao no mbola hifikitra amin’ny hevi-diso?+

  • Jeremia 25:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Nilaza ireny mpaminany ireny hoe: ‘Samia re miala amin’ny lalan-dratsinareo sy ny zava-dratsy fanaonareo ianareo e!+ Dia honina eo amin’ilay tany nomen’i Jehovah anareo sy ny razanareo efa hatramin’ny ela ianareo, ka honina maharitra eo.+

  • Ezekiela 18:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “‘Koa arakaraka izay nataonareo avy no hitsarako anareo,+ ry taranak’Israely ô!’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.+ ‘Mibebaha ka mialà amin’ny fahadisoana rehetra nataonareo,+ ary aoka tsy hisy na inona na inona ho tonga vato mahatafintohina anareo, ka hahatonga anareo hanao fahadisoana.+

  • Hosea 14:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Miverena amin’i Jehovah Andriamanitrao, ry Israely ô!+ Fa ny fahadisoanao no nahalavo anao.+

  • Zakaria 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Ary lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “‘Miverena amiko’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ‘dia hiverina aminareo aho’,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.”’

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara