9 Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ny olona mbola mijanona ato amin’ity tanàna ity.+ Fa izay mivoaka kosa ka mitolo-batana amin’ny Kaldeanina, izay manao fahirano anareo, dia tsy ho faty fa ny ainy no ho babony.”’+
12 Nolazaiko tamin’i Zedekia+ mpanjakan’ny Joda daholo koa izao teny+ izao: “Ampidino ho eo ambany ziogan’ny mpanjakan’i Babylona ny vozonareo, ka tompoy izy sy ny vahoakany, mba ho velona ianareo.+