7 Hihinana azy izay rehetra mahita azy,+ ary ny fahavalony hiteny hoe:+ ‘Tsy ho meloka isika+ satria ry zareo no nanota tamin’i Jehovah, dia i Jehovah fonenan’ny fahamarinana+ sy fanantenan’ny razany.’”+
11 Nandika ny lalànao ny Israely rehetra, sady tsy nankatò ny teninao.+ Koa nampiharinao taminay ny ozona sy ny fianianana+ voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.
5 Fa noho ny kirinao+ sy ny fonao tsy mibebaka+ no anangonanao fahatezerana+ ho anao ho amin’ny andro fahatezerana+ sy fampiharihariana+ ny fitsarana marin’Andriamanitra.+