10 “‘Raha misy amin’ny taranak’Israely, na ny vahiny monina eo aminareo, mihinana ra,+ na ran’inona izany na ran’inona, dia hanameloka* ny olona*+ mihinan-dra aho, ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy.
5 dia izaho mihitsy no hanameloka an’ilay olona sy ny ankohonany.+ Haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy sy izay rehetra niaraka taminy, satria nanana fifandraisana mamoafady+ tamin’i Moleka.
10 “‘“Fa manameloka* an’ity tanàna ity aho ka loza no hanjo azy fa tsy soa”,+ hoy i Jehovah. “Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity+ ka tena hodorany tokoa.”+
4 Ary raha entin’ny fahavalony any amin’ny fahababoana izy, dia any no handidiako ny sabatra mba hamono azy.+ Koa hifantoka aminy ny masoko, mba hanisiako ratsy azy, fa tsy soa.+