FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 56:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Alika manam-paniriana mafy+ izy ireo, ary tsy mety afa-po.+ Mpiandry ondry tsy manam-pahalalana koa izy.+ Samy mivily manaraka ny lalany avy izy, ka samy maka tombony tsy ara-drariny avy amin’ny faritaniny.+ Hoy izy ireo:

  • Jeremia 6:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Samy maka tombony tsy ara-drariny na ny madinika indrindra na ny lehibe indrindra.+ Ary samy mamitaka na ny mpaminany na ny mpisorona.+

  • Ezekiela 33:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Dia ho tonga any aminao izy ireo, toy ny olona efa mpankeo aminao, ka hipetraka eo anoloanao toy ny ataon’ny oloko.+ Hihaino ny teninao tokoa izy ireo nefa tsy hankatò an’izany,+ satria filan-dratsy no haloaky ny vavany ary fakana tombony tsy ara-drariny no mamin’ny fony.+

  • Mika 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ny lohandohany eo aminy dia mitsara mba hahazoana tsolotra,+ ny mpisorony kosa mampianatra mba hahazoana karama,+ ary ny mpaminaniny misikidy mba hahazoam-bola.+ Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany anefa izy ireo, ka milaza hoe: “Angaha moa tsy eto amintsika i Jehovah?+ Tsy hisy loza hanjo antsika.”+

  • Titosy 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Mila tampenam-bava ireny olona ireny, satria ireny indrindra no manimba ny finoan’ny ankohonana manontolo,+ noho izy mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina, mba hahazoany tombony amin’ny tsy marina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara